<?xml version="1.0" encoding="UTF-8"?><song><title>Andeha ry hava-malala FFPM366</title>
<lyrics>[V1]
 Andeha, ry hava-malala !
 Andeha hiaraka izao,
 Hitady fonenana tsara
 Honenana mandrakizay
 Ao amin'ny tanin'ny Tompo
 Ny fahasambarana be,
 Ny ota tsy miditra akory,
 Tsy misy ny loza manjo,
 Dia aoka hiaraka isika,
 Ry hava-malala izao !
 Hitady fonenana tsara
 Honenana mandrakizay.

[V2]
 Ny trano dia maro tokoa,
 Mifaly ny mponina ao,
 Tanteraka soa ny aleha,
 Fitia omena ny ao ;
 Miara-midera ny Tompo,
 Mpanavotra be indrafo ;
 Miara-mandova ny soa,
 Mitafy ny lamba madio.
 Dia aoka hiaraka ..sns.
 3-Na ety ny lalana aza,
 Na maro ny zava-manjo,
 Dia aza matahotra akory,
 Mandroso ny mety hatao ;
 Anjely tsy tambo isaina
 Hirahin-kanampy anao ;
 Mpanompo ny Avo indrindra
 Hitoby hiaro anao.
 Dia aoka hiaraka ..sns.</lyrics>
<hymn_number>366</hymn_number>
</song>